- Tsy tokony ilaza zavatra ratsy ny namana na ny manodidina ny MSM.
- Tsy natao fitadiavana fihaonana manokana amin'ny samy MSM ny karajia.
- Tokony hanaja ny hevitrin'ny namana ny mpamaky, fa raha manao izany, dia mikatona avy hatrany ny kaontiny.
- Misy sokajy maro ny karajia, ka tokony hijery tsara sy hanamarina ny fandraisany anjara izy, mba ho amin’ny sokajy tokony hisy azy ilay izy.
- Tsy mahazo hanaovana dokam-barotra ato!
- Ny teny ampiasaina, dia ny malagasy, aza dia mampiasa fomba fanoratra SMS laotra fa mety hahatonga fanamarihana ho anao ny fanaovana izany, satria mety hanelingelina ny mpamaky hafa no mampahatonga fasosorana.
- Tsy mahazo ampidirana nomerao finday na mailaka na an’iza na an’iza ny karajia.
- Hapetrao foana ny foto-kevitrin’ny tranokala dognat;mg. Noho izany, dia tsy mahazo atao ny manao resaka vetaveta na mifono .
- Mahazo atao ny miresaka manodidina ny firaisana: fa kosa dia tokony tsy hivaona amin’izay resaka efa misy ka mila hevitra na toro-lalana.
- Izay rehetra mivaona amin’ny tokony ho izy, dia manaiky ny mpikambana fa manana alalana feno ny mpandrindra ny karajia hanala izay resaka tsy mendrika.
|