“Maquillage” maneva ny mainty hoditra …
Manana fahazarana hanao izay hamparevaka be ny tarehiny matetika ny olona mana hodi-tava somary maintimainty, na mangamanga. Tsy voatery ho izany foana anefa no manendrika, fa misy fomba manokana mihitsy, natao hikoloana sy hametrahana ny haingon-tava, ho an’ireo vehivavy manana hoditra manopy matroka.
Tsara kalitao
Ela kokoa vao miroraka sy mikentrona ny hoditra mainty, raha mitaha amin’ny hoditra mazava. Na izany aza nefa dia mety ho lasibatra amin’ny tsy fahatomombanana maro karazana izy ireny, raha toa ka tsy voakarakara, na tsy mahavita manara-maso akaiky ny fahasalamany. Mazàna koa anefa no mora mitera-menaka ny hoditra matro-doko. Noho izany rehetra izany, ilaina fantarina sy fotorina tsara ny olan’ny hoditra, ny filàny, ny akora mety sy ireo tsy mifanaraka aminy, mialohan’ny hanaingoana azy. Rehefa voafehy tsara ireo, dia mora kokoa ny manaingo azy.
Fanaingoana mety aminy
Raha misy pentimpentina ilay tarehy (mony, tasy, loko tsy mitovy, …) dia ilaina be mihitsy ny manosotra “fond de teint” . Hitovy tantana tsara ny tarehy amin’izay fotoana izay, no sady tsy dia ho tazana be ihany koa ireo lesoka madinika ireo. “Fond de teint correcteur” no tsara ampiasaina. Raha efa izay dia somary hosorana “crème matifiante” kely, na ireny menaka miaro ny tarehy mba tsy hangirana ireny. Raha somary sarotiny ilay karazan-koditra dia aleo asiana “poudre compacte” kely indray eo ambonin’ilay crème teo. Mila fitandremana tsara anefa, fa tsy avy dia ahosotra in-dray miaraka ireo akora ireo. Tsy maintsy atao mahazo toerana tsara ilay akora teo aloha, ary andrasana 3 hatramin’ny 5 minitra vao apetaka ny manaraka. Ho an’ny molotra dia mety tsara avy hatrany ny “gloss”. Ny maso kosa indray, na efa mainty aza ny hoditra, dia maneva azy foana ny “mascara”. Tsara foana koa raha arahina “crayon” kely ireto farany, mba hanendrika tsara.
Ampifanarahana ny lokona manjamaso
Mora ny mampihaingo hoditra mainty, satria saika mety aminy avokoa ny loko rehetra. Na izany az, dia izay loko mifanakaiky indrindra amin’ny lokon-tava no kendrena, mba tsy ho hita misongadina loatra fa nanao haingon-tava ianao. Rehefa mifidy azy, dia izay manakaiky kokoa ny lokon’ny tratra sy ny tenda no safidiana. Fadio kosa ny “fard à paupières “matroka loatra, tahaka ny volon-tany, satria ho lasa maizina be loatra ny tarehy. Ho an’ny molotra no tena tsara, raha mena matroka, na volon-tany mangirana notsindriana “gloss”. Rehefa mampihaingo tarehy matro-doko dia imasoy ny eo amin’ilay faritra antsoina hoe : “zone T”, miainga eo amin’ny handrina, mihazo ny tetezan-korona ary mipaka any amin’ny saoka, izay ahiana hety hangirana. Ankoatra io faritra io dia imasoy koa ny molotra, mba hisongadina mahafatifaty.
Ando