Bienvenue, tongasoa!!!!    

PAIR EDUCATEUR (PE)

QU'EST-CE QU'UN PAIR EDUCATEUR ?


Les IST, c'est quoi ?


Les IST sont des infections sexuellement transmissibles. Ce sont des infections provoquées par des bactéries, des virus ou des parasites.

 


LE VIH/SIDA


Le VIH, ou Virus de l'Immunodéficience Humaine est un type de virus qui peut causer une maladie appelée SIDA (syndrome d'immunodéficience acquise). Son infection atteint le système immunitaire. Il se transmet par les liquides corporels: le sang,le sperme,les sécrétions vaginales et le lait maternel. Le plus souvent, ce virus est contracté au cours d'activités sexuelles non protégées et l'échange de séringues. Le DEPISTAGE nous permet de connaître si on est sidéen ou non.

 

Iza avy no mety ho voan'ny IST sy ny SIDA?


Na iza na iza manao firaisana ara-nofo tsy voaaro, dia mety ho voa. Tsy voatery hisy fambaran'aretina ivelany ny olona mitondra ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo, ne dia mamindra.

Ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo dia azo avy amin'ny firaisana ara-nofo tsy voaaro. Ny SIDA dia isan'ireo aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo.

 Fadio ny manao dokotera tenany!!! 

 Manatona haingana Dokotera hahazoanao ny fitsaboana sahaza anao
 Taomy hitsabo tena koa ny olona manao firaisana ara-nofo taminao mba tsy hiverenan'ny aretina intsony ianareo
 Tapero hatramin'ny farany ny fanafody nomen'ny Dokotera dia ho sitrana tanteraka ianao.


Ireo fanontaniana mipetraka matetika miaraka amin'ny valiny

ENY Tena marefo tokoa isika MSM eo anatrehan'ny tsimok'aretina VIH. Ny mamparefo antsika MSM amin'ny IST sy VIH dia tsy nohon'ny maha MSM antsika, fa noho ny fanaovana firaisana ara-nofo tsy voaaro sy ireo fomba mahazatra hafa fanaontsika tsy am-piheverana. Marefo ihany koa isika satria betsaka ny mbola tsy mahafantatra ny fitondran-tena ara-pananahana mendrika eo amintsika MSM.

Ny aretina sy ny tsimok'aretina VIH izay azo avy amin'ny firaisana ara-nofo dia mifindra amin'ny alalan'ny tsiranoka amin'ny vatan'olombelona, na ny rà, na ny tsirin'aina. Noho izany, mety ho voa isika raha ohatra ka:

  • Manao firaisana tsy voaaro amin'ny lehilahy na amin'ny vehivavy
  • Mitsindrona zava-mahadomelina ka mifampizara fitaovana tsy voadio
  • Mifampizara fanjaitra tsy voadio na efa niasa tamin'ny fanaovana tombo-kavatsa (tatouage), tevika
  • Manao firaisana ara-nofo tsy voaaro amin'ny izay mifampizara tsindrona sy mampiasa fitaovana tsy voadio

TSIA, tsy voatery, indrindra raha mitandrina ireto manaraka ireto isika:

  • Mifampiresaka tsara amin'ny olona miaraka aminao ianao amin'ny fiarovana tokony hosafidinareo
  • Manoroka sy manafosafo ny faritra ivelan'ny taova-pananahana
  • Manao firaisana amin'ny olona iray izay efa nitily ary voamarina fa tsy mitondra tsimok'aretina (ary ianao irery ihany no olona miaraka aminy)

Mihena ny risika hifindran'ny aretina rehefa:

  • Tsy minono na koa mangarona lava-body na fivaviana indrindra raha misy fery ny tànana na ny vava mandritra ny firaisana
  • Tsy minono filahiana indrindra raha misy vay, vontsy, tsiranoka tsy mahazatra sy misy fofona mivaoka
  • Tsy milelaka lava-body sy tsy manatsofoka Tanana any anaty lava-body raha tsy misy fiarovana
  • Tsy manatsofoka ny ratsan-tanana manontolo any anaty lava-body (fisting) izay mety handrovitra ny temotry ny ativody sy ny atifivaviana.
  • Tsy manao firaisana amin-kerisetra indrindra raha misy ny fandehanan'ny rà
  • Tsy mifanakalo fitaovana fanaovana firaisana ara-nofo tsy voadio (toy ny bibity plastika sns...)

Ireo fitandremana hafa tokony hatao:

  • Mampiasà kapaoty foana isaky ny firaisana ara-nofo
  • Fadio ny mifampizara tsindrona na fitaovana maranitra rehefa mandray zava-mahadomelina
  • Fanjaitra vaovao foana no ampiasaina isan'olona rehefa mitevika sy manao tombo-kavatsa
  • Tokony hahena ny isan'ny olona iarahana sy hanaovana firaisana ara-nofo na inona na inona ny anton'ny fiarahana
  • Fadio ny mandray zava-mahadomelina (rongony na taoka) mialoha ny hanao firaisana ara-nofo
  • Fadio ny mifampizara fitaovana fanaovana firaisana ara-nofo tsy voadio
  • Manatona mpitsabo raha misy tsimetimety eo amin'ny fitaovam-pananahana na koa misy ahianao ny firaisana nataonao farany.

Ilaina ny manao fitiliana IST/VIH satria:

  • Tsy hitatsika ety ivelany na mitondra na tsy mitondra tsimok'aretina ny olona iarahantsika, eny fa na dia tomady sy tsara tarehy (beau gosse) aza izy.
  • Betsaka amintsika MSM no manao firaisana ara-nofo tsy voaaro amin'ny olona samihafa
  • Ny manao fitiliana rà ihany no hany fomba tokana ahafantarana fa tsy mitondra tsimok'aretina VIH ny olona iray
  • Hilamin-tsaina sy hitandrina kokoa isika rehefa mahafantatra ny "statut" antsika.

Ho antsika eto Madagasikara, manatona ary ny toeram-pitsaboana izay vonona sy voahofana ny handray an-tànana manokana antsika MSM.

 Torohevitra vitsivitsy

Inona no tsara ho fantatra momba ny fimailo (kapaoty)?

Ny fimailo dia aza antoka satria:

  • Vita tamin'ny fitaovana harifomba
  • Tsy atahorana ho rovitra raha arahinao tsara ny fomba fampiasa azy
  • Misakana ny VIH/SIDA sy ny aretina azo.

Inona no antony ampiasana ny fimailo (kapaoty)?
  • Hisorohana ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo sy ny VIH/SIDA
  • Hisorohana ny vohoka tsy irina
  • Ho fandrindrana ny fiainam-pianakaviana
Ireo torohevitra hafa
  • Fimailo vaovao hatrany ampiasaina isaky ny firaisana
  • Fadio ny mampiasa fimailo efa lany daty na samba
  • Fadio ny mandrovitra fimailo amin'ny nify na zava-maranitra
  • Tehirizo amin'ny toerana tsy tratrin'ny hafanana sy ny hamandoana ny fimailo
  • Tandremo ny fimailo efa nampiasaina mba tsy ho verivery foana ka ho voarain'ny hafa
  • Fimailo iray ihany no atsofoka isaky ny manao firaisana ara-nofo
Fomba 3 ihany no mahomby hiarovana amin'ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo sy ny VIH/SIDA
  1. Tsy fanaovana firaisana ara-nofo mihitsy
  2. Fiarahana amin'olon-tokana irery ihany
  3. Fampiasana fimailo (kapaoty) isaky ny manao firaisana ara-nofo