NATIONAL Zarazarao amin'ireo namana izay vaovao fantatrao. Ndao ary moa!
INTERNATIONAL Izay vaovao rehetra avy any ampitan-dranomasina mety mahasoa, zarao eto e!
FITSIPIKA
Tsy tokony ilaza zavatra ratsy ny namana na ny manodidina ny MSM.
Tsy natao fitadiavana fihaonana manokana amin'ny samy MSM ny karajia.
Tokony hanaja ny hevitrin'ny namana ny mpamaky, fa raha manao izany, dia mikatona avy hatrany ny kaontiny.
Misy sokajy maro ny karajia, ka tokony hijery tsara sy hanamarina ny fandraisany anjara izy, mba ho amin'ny sokajy tokony hisy azy ilay izy.
Tsy mahazo hanaovana dokam-barotra ato!
Ny teny ampiasaina, dia ny malagasy, aza dia mampiasa fomba fanoratra SMS laotra fa mety hahatonga fanamarihana ho anao ny fanaovana izany, satria mety hanelingelina ny mpamaky hafa no mampahatonga fasosorana.
Tsy mahazo ampidirana nomerao finday na mailaka na an'iza na an'iza ny karajia.
Hapetrao foana ny foto-kevitrin'ny tranokala dognat.mg . Noho izany, dia tsy mahazo atao ny manao resaka vetaveta.
Mahazo atao ny miresaka manodidina ny firaisana: fa kosa dia tokony tsy hivaona amin'izay resaka efa misy ka mila hevitra na toro-lalana.
Izay rehetra mivaona amin'ny tokony ho izy, dia manaiky ny mpikambana fa manana alalana feno ny mpandrindra ny karajia hanala izay resaka tsy mendrika.